4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tojo anao - Bessa sy lola

Tojo anao aho ka dia mirana,
Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao dia fiononana.
Nihaino am-po ny fitarainako,
Nahatsapa ny fanaintainako;
Nampisy lanja indray ny fianako(2).

Tojo anao aho ka dia mirana,
Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao dia fitiavana.
Nampahatsiahy, ny hadisoako,
Indrindra tamin'ny namonoako;
Fitia nitoetra tao am-poko(2).

Tojo anao aho ka dia mirana,
Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao dia fanantenana.
Na tsy fantatro aza ny androko
Na mbola ho lava be ho andriko
Hiandrandrako ny fiainako.

Partager tojo anao

Commenter tojo anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite